<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 He, mijaly ny Mpamonjy
 Ao Getsemane izao !
 O, ry te-ho voavonjy,
 Manaraha Azy ao ;
 Indro ny Mpanavotrao,
 Fa mitady ho anao.

[V2]
 Ory ao ny Tompon'aina
 Mafy re ny adiny
 Ka misento mitaraina,
 Toy ny ra ny dininy.
 Ry mpanota mijere,
 Mihevera ka hendre !

[V3]
 Indro tonga ny anjely,
 Mba hampahatanjaka
 An'i Jeso, Izay nijaly
 Amim-panaintainana.
 Ry Mpamonjy tia ô !
 Mamindrà fo amiko.</lyrics>
<title>He mijaly ny Mpamonjy FFPM89</title>
<hymn_number>89</hymn_number>
</song>